4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsia, tsy misy anenenako - Henri ratsimbazafy

Raha lasa ny fisainako,
dia injao fa mitamberimberina ao
ny tantarantsika niainako
ka manjary alahelovako anao
Nefa moa sarobidy ny hatanorana,
tsy tokony ho simbasimbana
laniana amin'izay hadalana
       koa nahoana moa
       no hamoy fo ?

Tsy mbola izaho irery akory
no miaritra ny mafy eto an-tany,
mbola betsaka ny ory
sy mitolona ao anatin'ny tomany,
Nefa samy milanja ny hazo fijaliana,
milanja mora ny azy mangina,
miandrandra ny lanitra hifaliana
    koa nahoana moa
          no hamoy fo ?

Ref. :
         Tsia, tsy misy anenenako !
         tsia, tsy tokony hiverenako
         ny lalana nodiaviko
                  tanilanao,
         ianao izay notiaviko
                  hatramin'izao
          tsy misy anenenako,
          ny ho avy no tandremako.

Partager tsia, tsy misy anenenako

Commenter tsia, tsy misy anenenako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite